Tsara ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka medaly volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 izy ireo. Fifaninanana, notanterahina tany Djibouti, nifarana omaly alahady.
Nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika hatao any Tonizia sy ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, any Korea izany i Madagasikara. Raha tsiahivina, tompondakan’ i Afrika atsinanana teo amin’ny isan-tarika lehilahy ny Malagasy nahitana an’i Antoine sy i Fabio ary i Jonathan. Fandresena 3 no ho 0 an’i Etiopia, ny azon-dry zalahy. Antoine nanilika an’i Aden, seta 3 no ho 0. Fabio nampiondrika an’i Mokonen, seta 3 no ho 2 ary seta 3 no ho 0 nandavoan’i Jonathan an’i Sissay.
Adin’ny samy Malagasy ny lalao ho an’olon-tokana lehilahy, izay nandresen’i Fabio an’i Antoine, tamin’ny seta 4 no ho 0. Norombahin’i Hanitra kosa ny teo amin’ny vehivavy, rehefa nanilika an’ilay maorisianina, i Hosenally Oumehani, tamin’ny seta 4 no ho 0 (11/5 ; 11/6 ; 11/2 ; 11/4).
Ny teo amin’ny isan-tarika vehivavy ihany izany no hany tsy norombahin’ny Malagasy noho ny tsy fananan’i Madagasikara izany. Marihina fa mpilalao avy any ivelany avokoa ny hany nandray anjara, tamin’ity.
Tompondaka