Voasambotry ny fokonolona ny mpangalatra vomanga roa lahy tao Atsinanantsena fokontany Ambatobe Fisahanana, kaominina Antanambao, ny faran’ny herinandro teo. Naka vomanga teny an-tanimboly, nahatratra 3 gony ireo entana sarona teny amin’izy mirahalahy. Sarona teo am-panatontosana io asa ratsiny io izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana nataon’ny fokonolona. Nanohitra izany anefa ny iray tamin’ireo jiolahy. Vokany, nidaroka sy namono koa ireo fokonolona izay nisy efa naratra.
Maty tamin’izany ny iray tamin’ireo jiolahy. Naratra mafy ny iray ka nentina nihazo ny CSBII. Mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana. Natsidik’ity farany, voararan’ny lalàna velona eto Madagasikara ny fanaovana fitsaram-bahoaka toa ity.
Tsiferana R.