Andro afrikanina ho an’ny skoto : any Kenya i Amboara Rabe-Harinoro

Misolotena an’i Madaga­sikara mandritra ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma 2023, any Kenya, i Amboara Rabe-Harinoro. Nomarihina, oma­ly, izany tany an-toerana. Ani­san’ny mpandray anjara amin’ ny “Scout Go Solar” any an-toerana amin’izao fotoana izao koa ny tenany.
Vahaolana vaovao ho an’ ny hoavy maharitra no lohahevitra voizina amin’ity An­dro afrikanina ity. Resahina amin’izany ny mikasika ny fampiasana ny angovo azo havaozina, indrindra ny herin’ ny masoandro izay efa be mpampiasa amin’izao fotoana.
Natsangana tamin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra (CM Res 1607 (LXII)), nataon’ny conseil des ministres de l’Or­ganisation de l’unité Africaine (OUA) na Union Africaine (UA) ankehitriny ny andron’ny skoto Afrika.
Natao nandritra ny fivoriana ara-potoana faha-62 tany Addis Abeba, nanomboka tamin’ny 21 hatramin’ny 23 Jona 1995, izany.
Andro natokana ho fankasitrahana ny ezaka ataon’ny skoto eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny famolavolana ny tanora, ny fanofanana ny olon-dehibe ary ny fanatanterahana ny hetsika fampivoarana ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: