Misy ny fikasan’ny fanjakana, ny volana aogositra 2022, fa hodiovina any ivelany ireo tahirim-bolamena ao amin’Banky foiben’i Madagasikara, mba havadika hanana lanja ara-bola eo amin’ny tsena irasaim-pirenena. Tsy tanteraka, araka izany, ilay filazana fa naondrana any Soisa ireo tahirim-bolamena ireo.
Nanome fanazavana ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BCM), Andrianarivelo Aivo. Notsipihiny fa tsy mbola nisy na volamena 1 grama aza nivoaka tao amin’ny BCM. Antony, misy fitsipika tsy maintsy arahina amin’ny fanatanterahana izany, toy ny lafiny famantarana ny fiavian’ny volamena. Eo koa ny fanajana ny fepetra iraisam-pirenena, mikasika ny toerana nitrandrahana ny volamena, toy ny tsy fampiasana ny zaza tsy ampy taona, ohatra. Mitaky izany ny laboratoara hiandraikitra ny fanadiovana ireo volamena, ka efa eo am-pandinihana ny fifampiraharahana aminy.
Hisy ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Banky foiben’i Madagasikara, vao afaka miroso amin’ny fanadiovana. Ao anatin’izany ny famaritana lalàna manodidina ity lafin-javatra ity.
Miverina ny fividianan’ny BCM volamena, aorian’ny fandaminana ireo voalaza ireo, hoy ihany ny governora, Andrianarivelo Aiko.
Njaka A.