Fampandrosoana eny ifotony : naneho firaisankina ny zanak’Isandra

Nahatsapa ireo zanak’Isan­dra fa tsy hita taratra ny fampivondronana ireo mponina any an-toerana, tao anatin’ny taona maro. Tonga anefa ny fotoana. “Anisan’ny fahombiazana ho amin’ny fampandrosoana ny fanehoana firaisankina sy ny fitambarana tahaka izao”, hoy ireo nandaha-teny tao amin’ny kaominina Soatanana, nanaovana ny hetsika.
Nanterin’izy ireo fa tokony hatambatra ny hery mba tsy hisian’ny  fizarazarana,  ary atao tafapetraka  ao anatin’ny sain’ireo ankizy sy ny tanora ankehitriny izany fitambarana sy firaisankina izany. “Mi­la  ampahafantarina  ny tany niaviany  sy ny fomba amam-panaony izy ireo mba ho reharehan’ny distrikan’Isandra any aorina », hoy hatrany izy ireo.
Niaiky ny rehetra fa tena   ilaina ny hetsika “Zanak’ Isan­dra miregna” tahaka izao. Tsiahivina fa narahin’ny hetsika eo amin’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena izany, ary tonga avokoa ireo avy amin’ny fokontany miisa 104 sy ny kaominina miisa 13, mandrafitra ny distrikan’Isandra. Teo koa ny fifaninanana  zafindraony, kidodo, kabary, tenona sy rary, sy ny maro samihafa nandritra ny hetsika.

Synèse R.

Partager sur: