Misitraka ny fandaharanasa “Yali RLC” ny tanora malagasy 10 mianadahy ary efa mikatroka fiofanana any Pretoria, hatry ny omaly. Fanandratana ny tanora aty Afrika ity fandaharanasa ity.
Nihaona teny amin’ny American Corner Antananarivo, ny herinandro teo, ireo tanora malagasy 10 mianadahy, voafantina amin’ny andiany faha-20 amin’ny programa “Yali Regional leadership Center Southern Africa». Nandray ny torolalana momba ny fiofanana izay hatrehin’izy ireo nanomboka omaly, any Pretoria, Afrika Atsimo izy ireo tamin’izany.
Haharitra 4 hatramin’ny 12 herinandro ary hiompana amin’ny asa fitarihana eny anivon’ny fiarahamonina sy fitantanan-draharaham-panjakana ary fandraharahana ny fiofanana.
Nanomboka ny taona 2015 ny “Yali Regional Leadership Center” (RLC), atao any Ghana, Senegal, Kenya sy Afrika Atsimo. Sehatra hifanakalozan’ny tanora aty atsimon’i Afrika traikefa sy soa fanararaotra izy ity. Hanarahany fiofanana momba ny fahaiza-mitarika ihany koa ity fandaharanasa ity.
Ny USAID no mpamatsy vola sady mpandrindra ny programa RLC miaraka amin’ny Master Card Foundation sy ny mpiara-miasa hafa avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Hanatevin-daharana ny fianakaviamben’ny maintimolalin’ny programa Yali avy hatrany ireto tanora malagasy ireto, rehefa tafaverina eto Madagasikara. Hanohy ny fifanakalozana traikefa sy fiofanana ary fandaharanasa maro hafa ihany koa.
Marihina fa ny programa “Yali Regional leadership Center” dia sady misy fiofanana mivantana no misy fiofanana ampitain-davitra ho an’ireo misehatra amin’ny varotra sy ny fandraharahana, ny fitantanana fikambanana tsy miankina, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana, izay hatao any amin’ireo foibe fiofanana any Sénégal sy Afrika Atsimo.
Ny fanohanana ny tanora mpitarika afrikanina dia hetsika lehibe ataon’ny governemanta amerikanina ho fanohanana ireo tanora afrikanina ho tonga mpitarika atsy ho atsy.
Tatiana A