Tsy afaka ny hangina intsony. Mitaraina ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mampiana-janaka any Maraoka, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ izy ireo, omaly, fa tsy tanteraka ny fampanantenana nomen’ny fanjakana amin’ny hamerenana ny volan’ireo ray aman-dreny, nataon’izy ireo saran-dalana tamin’ny fiaramanidina “Billet d’avion”. Efa nilaza ary mbola nanamafy ny filoha Rajoelina Andry, tamin’ny fitsidihany ny tany Maraoka, ny volana novambra 2022 ny amin’ny hamerenana ny volan’izy ireo.
Tsiahivina fa nalefan’ny fanjakana hanohy fianarana any Maraoka ireo mpianatra mendrika indrindra manerana ny Nosy, afaka fanadinana bakalorea ny taona 2021-2022. Nampanantenaina ireo ray aman-dreny tamin’izany mba handoa ny saran-dalana « Billet d’avion » aloha fa haverin’ny fanjakana avy eo.
Efa nihaona tamin’ny filoham-pirenena ireo mpianatra sy “Diaspora” malagasy any an-toerana ka nampanantenaina ny hanefan’ny fanjakana ny “Billet d’avion” sy ny “Allocation”, saingy izao tsy mbola tanteraka izao.
Synèse R.