Nahoraka tao anatin’ny tambajotran-tserasera ny zava-nitranga tamina fiangonana iray etsy Andavamamba, afakomaly. Voatondro ho saika hangala-jaza tamin’izany ny lehilahy iray teratany pakistane. Niantso vonjimaika ny polisy anefa ny ray aman-drenin’ireo zaza ka voasambotra ilay teratany vahiny. Ankehitriny, atao famotorana momba ny raharaha ny tenany ary hiakatra fampanoavana aorian’izay.
Nianatra sekoly alahady tao am-piangonana ireo ankizy telo vavy, 12 taona ny iray ary 14 taona ny roa hafa , afakomaly. Nandritra izay, “nanatona azy ireo ity lehilahy teratany vahiny mahay miteny gasy ka nanasa azy hiara-hisakafo sy hiaraka aminy”, hoy ireo ray aman-drenin’ireo zaza. Niantso avy hatrany ny iray tamin’izy telo vavy anefa ny diakona tao am-piangonana raha nahita ny fihetsik’ilay teratany vahiny. Sady nampiala azy telo vavy teo akaikin’ilay lehilahy. “Tao anatin’izany dia namoaka fofona hafahafa tao anatin’ny vavany ity teratany karana ity ka nampalemilemy ny roa tamin’ireo zaza”, hoy ny fanazavana voaray. Notohizany fa nandeha ilay lehilahy lehibe io vantany vao tsy nahazo izay notadiaviny. Nenjehina izy ka voasambotra, nantsoina ihany koa ny polisy ka nentina eny amin’ny BC ny tenany taorian’izay. Nilaza hatrany ireo ray aman-drenin’izy telo vavy fa mpanodinkodin-jaza ity teratany vahiny ity. Nahitana horonantsary mamoafady, hoy izy ireo, ny findainy ary nisy fanafody mampatanjaka tao anaty kitapony. Etsy ankilany, nilaza ny polisy, nentina niala teo an-toerana io teratany vahiny io, mba hiarovana ny ainy sy hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Andrasana ny tohin’ny famotorana.
Henintsoa H.