Nivory ireo ben’ny Tanàna 84 mandrafitra ny faritra Atsinanana, ny 6 marsa lasa teo. Mitaky ny hamoahana ireo ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra izy ireo. “Atsaharo ny fanenjehana ny ben’ny Tanàna satria olom-boafidy tahaka ny rehetra ary avoahy ny ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra”, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Tokony hisitraka ny zony tsy azo enjehina izy ireo satria olom-boafidy ary solontenan’ny vahoaka ihany koa, raha ny fanambarana hatrany.
Raha tsiahivina, naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny Tanànan’i Brickaville sy ny lefiny, herintaona lasa izay. Tsy mbola voatsara izy ireo hatramin’izao. Ankoatra izay, maro ireo ben’ny Tanàna efa manana antontan-taratasy eo anivon’ny Pac. Anisan’izany ny avy ao Mahavelona Foulpointe, Sahamatevina, Nierenana, Amboditandrohoroho, Toamasina. Miandry fiantsoana kosa ny avy ao Soanierana Ivongo.
Efa nivoaka ny fonja kosa ny ben’ny Tanànan’i Vavatenina, ny 7 marsa teo, araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpiara-miasa aminy. Marihina fa naiditra am-ponja vonjimaika, ny 1 marsa teo, izy io. Voalaza fa afaka madiodio izy io taorian’io fitakian’ny ben’ny Tanàna avy any an-toerana ireo, raha ny loharanom-baovao voaray hatrany.
Sajo sy Mino
(mpianatra asa)