Faritra Menabe : zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika indray tao amin’ny fokontany Mitsinjo, kaominina ambanivohitr’i Befasy, distrikan’i Moron­dava, ny alahady maraina teo. Dahalo ma­romaro ireto nanafika ireto ka lasan’izy ireo ny omby tao amin’io fokontany io niaraka tamin’ny basin’olona iray. Tsy vitan’izay fa olona roa hafa koa voatifitra niaraka tamin’ilay zandary. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Mo­ron­dava, dahalo valo lahy niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika no nanafika tao amin’ity fokontany Mitsin­jo ity, tamin’io fotoana io. La­san’ireo malaso ny omby valo niaraka tamin’ny raim-pianakaviana iray nataon’izy ireo takalonaina. Nahazo antso ny zandary taorian’izay ka nidina haingana tany an-toerana. Nisy ny fifandonana taorian’izay satria nitifitra avy hatrany ireo dahalo raha vantany vao nahita ny fahatongavan’ny zandary tao Befasy. Naharitra ny fifandonana ka tamin’izany no na­havoatifitra ny zandary iray miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Moron­dav­a. Nisy tamin’ireo dahalo no voatifitra ihany koa, saingy nentin’ny na­many nitsoaka. Mitohy, araka izany, ny fanarahan-dia ataon’ny zandary ireto dahalo tafaporitsaka ireto.

J.C

Partager sur: