Natao tetsy Ankadifotsy, omaly, ny fampahafantarana ny tetikasa ho amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray andraikitra amin’ny dingana eo amin’ny fifidianana. Miara-miasa amin’izany ny eo anivon’ny FES sy ny avy amin’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina (UE).
Anisan’ny kendren’ny FES ny hananganana sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpisehatra politika. Ao anatin’izany ny fanofanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana sy ny fanjakana tsara tantana. Tanjona ny hifampizaran’ireo mpanao politika ny fahalalany sy ny hanatsarana ny fomba fanaovana politika eto amintsika. Eo koa ny fampahafantarana azy ireo ny zo sy ny fenitra iraisam-pirenena momba ny demokrasia.
Voatsiahy koa fa tokony ho ao anatin’ny mangarahara sy demokratika ary tsy manilika ny fifidianana, hatao eto amintsika. Nisongadina koa ny fampahafantarany ny fandaharanasa YLTP.
Ho tompondaka eo amin’ny fanovana
Natao hampahaleo tena ny tanora sy ny vehivavy, ho fampandraisana anjara azy ireo ho mpitarika ka ho tompondaka eo amin’ny fanovana. Anisan’ ny misitraka izany ny eto Analamanga, Boeny, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Atsinanana… Ho tafiditra ao anatin’izany koa ireo mpianatry ny oniversite, indrindra amin’ireo adihevitra demokratika, hatao.
Etsy andaniny, tsiahivina fa natao izao tetikasa iarahana amin’ny FES izao ho amin’ny fanorenana fiarahamonina mirindra, tsy manilika sady demokratika. Mamatsy vola izany ny eo anivon’ny UE.
Synèse R.