Miara-mientana amin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa (JMDC) ny minisitera misahana ny Fanjifana sy ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Any Toamasina no hanamarihana ny JMDC amin’ity taona ity. Lohahevitra mifandraika amin’ny fanjifana sy ny fiantraikan’izany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no hanompanana ny fankalazana, ny Alarobia 15 marsa 2023 izao.
“Fampizakan-tena ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fiampitana any amin’ny angovo madio”, no lohahevitra nosafidiana satria tsapa fa ambany dia ambany ny fahafahan’ny mpanjifa mahazo herinaratra amin’ny vidiny ara-drariny. Hita ihany koa fa mirona bebe kokoa amin’ny fampiasana angovo mandoto ny tontolo iainana toy ny saribao sy kitay ny mpanjifa. Misy koa ny mpamokatra mbola tsy manaja ny lalàna fiarovana ny tontolo iainana amin’izany asa famokarana ataony izany.
Anatin’ny fandaharam-potoana any Toamasina, ny tapak’andro maraina ny famoaboasana ny lohahevitry ny fankalazana, hanabeazana ny mpanjifa ny amin’ny fampiasana ny fanjifana ny herinaratra. Ny tapak’andro hariva kosa dia hifanatrehana amin’ireo mpanafatra entana, satria ny ankamaroan’izy ireo dia misehatra any Toamasina.
Hampahatsiahivina azy ireo ny lalàna velona mifehy ny fanjifana. Manana adidy amin’ny fiarovana ny mpanjifa sy ny famatsiana ny tsena ny mpanafatra entana.
Ho faranana amin’ny fidinana ifotony iarahan’ny minisitera sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fankalazana ny JMDC. Ho zahana amin’izany ny zava-misy any an-toerana sy any amin’ireo orinasa mpamokatra sakafo, toy ny menaka sy lafarinina.
Ndrina