Hanatsarana ny fiainan’ny mpianatra : nametraka fomba fiasa vaovao ny Oniversite

Niara-nitafa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikambanana pedagojika eny amin’ny oniversiten’Antana­narivo, ny faran’ny herinandro teo, teny Fiadanana. Naverina ny fampahafantarana ny lalan-jotra momba ny vatsim-pianarana sy ny laminasa amin’ny fanarenana sy fanorenana fotodrafitrasa. Noresahana ihany koa ny dingana efa hirosoana amin’ny famahana ny olan’ny jiro amin’ireo toeram-pianarana sasany toy ny “agronomie”, ny “po­lytechnique” eny Von­to­vorona.
Taorian’ny fijerena ny olana rehetra misy ankehitriny (vatsim-pianarana sy ny digitalisation, fotodrafitrasa …) izay efa eo an-dalam-pamahana. Nametraka fomba fiasa hiaraha-mientana hanatsarana ny fiaimpiainan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny roa tonta. Tafiditra ao ny fanomezan-danja ny fifampiresahana sy fifanatonan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny olana mety hitranga hatramin’ny fifanakalozan-kevitra ho fampivoarana ny tontolon’ny fampianarana ambony.
Nanamafy hatrany ny mi­nisitera fa misokatra ny varavarana ho amin’ny fifampidinihana sy ho fandraisana tolo-kevitra.

Vonjy

Partager sur: