Judo-Junior : laharana faha-4 eran-tany Rasoanaivo Laura

Nampiakatra ny laharany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny nandrombahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny medaly volamena 2, nandritra ny fifaninanana “Open de Tunis African Cup”, taranja Judo. Fifaninanana natao tany Tunisie, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra laharana faha-4 eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, araka izany, ity Judoka malagasy ity, noho ny vokatra tsara azony. Tsia­hi­vina, ny laharana faha-6 eran-tany no nifanandrina tamin’i Laura, teo amin’ny famara­nan’ny sokajy Junior latsaky ny 70 kg. Mbola io judoka lituanienne io ihany no nihaona taminy teo amin’ny sokajy Senior ary resiny. Manana isa 300 i Laura izao tafapetraka eo amin’ny laharana faha-4 eran-tany, sokajy Junior izao. Isa 516 kosa ny an’ilay judoka mitana ny laharana voalohany ary manana isa 345 ny laharana fahatelo. Mbola maro ny tanjon’i Laura eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Anisan’izany ny hahazoany medaly amin’ny lalao Olym­pika 2025.
Fifaninanana iraisam-pirenena goavana ihany koa ny mbola miandry azy mialoha izany.

Mi.Raz

Partager sur: