Manao ny fomba rehetra ny zandarimariam-pirenena miaraka amin’ny fifanomezan-tanan’ny fokonolona, manohy ny fikarohana ny G2C Randrianantenaina Sedrick. Zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ivohibe izay lasan’ny ranotrambo ny fiaran’ny lehiben’ny distrika nitondra azy teo amin’ny ranon’i Menarahaky, fokontany sy kaominina Analavoka, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe, ny 8 marsa 2023 atoandro lasa teo. Miangavy an-tanan-droa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, raha misy mahita na mahafantatra fanampim-baovao momba ity raharaha ity, mba hampandre ny manam-pahefana na ny tobin’ny zandarimaria akaiky azy. Nomarihin’ny zandarimaria ao an-toerana fa miezaka mitady tokoa ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana amin’ny fikarohana azy. Mitomandavana rahateo iny renirano iny fa tsy mbola nahazoam-baovao aloha hatramin’izao (omaly io). Mitohy, araka izany, ny fikarohana ary nilaza ho tsy mbola manary toky izy ireo fa mitady ny fomba rehetra mba hahafahana mitady ity zandary nanao sorona ny ainy ho an’ny tanindrazana ity.
Jean Claude