«Multidanse» : nahazo medaly volafotsy ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Championnat Multidanse” natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly volafotsy i Toky sy i Valencia, izay nankasitrahan’ny mpitsara manokana ny fahaizan’izy ireo. Tsiahivina fa fanasana avy amin’i La Réunion ny nahafahan’i Madagasikara nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, ka nitarika ny delegasiona malagasy ny filohan’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena no sady tafiditra ho anisan’ireo mpitsara. Ankoatra ny vokatra tsara azon’ny Malagasy, nahazo traikefa tamin’ny Renioney ihany koa i Madagasikara ary afaka nisokatra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny eto an-toerana, hiezaka hanatsara ny lentan’ny fifaninanana nasionaly sy hampiakatra ny teknikan’ny mpifaninana ny Federasiona. Ho fampandrosoana ny dihy ara-panatanjahantena eto Madaga­sikara no antony.

Mi.Raz

Partager sur: