Namono ny sakaizany : vazaha migadra mandra-pahafaty

Nampijaliana nandritra ny alina iray manontolo i Nomena, sakaizan’ilay vahaza.
Tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy, saika hariana tany Toamasina ny razana
avy eo.

Nomelohin’ny fitsarana, ny alatsinainy 6 marsa teo, higadra asa an-terovozona mandra-pahafaty ilay teratany frantsay nanolana sady namono ny sakaizany tetsy Talatamaty tamin’ny taona 2021. Roa taona nitakiana ny hampiharana ny lalàna ny fianakavian’ny maty na i Nomena, ilay tovovavy 20 taona namoy ny ainy.
Raha tsiahivina, sady naolan’ilay vazaha io sakaizany io, ny 3 avrily 2021, no nampijaliana nandritra ny alina tontolo. Novonoina izy taorian’ny filan-dratsiny sy avy na­namparana ny habibiana. Tsy vitan’izay, saika halevina antsokosoko teo an-tokotany ny razana, rehefa tsy nety nanampy ilay vazaha handeha hanary izany tany Toamasina ny na­many iray. Ity farany rahateo no nampandre ny mpitandro filaminana tao amin’ny borigadin’i Talatamaty. “Saika hampanarian’ilay vazaha ny vatana mangatsiakan’ilay ha­vanay io olona tsara sitrapo io”, hoy ny zokin’ilay namoy ny ainy. Nidina ifotony nijery ny toerana voatondro ny zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Ambohibao. “Tsy nety namoha ny varavarana anefa ilay teratany vahiny. Nampia­sa hery ny mpitandro filaminana. Efa hita teo an-tokotany ny lavaka saika hanafenana ny havanay”, hoy ny rahavavin-drenin’i Nomena. Natao fanadihadiana avy hatrany ilay vazaha. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsia­kan’ilay vehivavy. Natolotra ny fampanoavana ny voampanga, naiditra am-ponja vonjimaika teny Tsiafahy.

Intelo niverina
Maro ny ratra nahazo ilay tovovavy nandritra ny fampijaliana. Taorian’ny fizahana “autopsie” nataon’ny mpitsabo, voamarina fa naolana izy. Avy eo notaperina ny ainy. Tsiahivina, mbola nahitana zava-mahadomelina mahery vaika, toy ny “methamphetamine” rahateo, tao amin’ny efitranon’ity vazaha ity, nandritra ny fanadihadiana.
Intelo nandeha ny fitsarana ny raharaha tao anatin’ny roa taona. “Nilaza ho narary ilay vazaha ka tsy afa-niatrika ny fotoam-pitsarana voalohany tamin’ny taona 2021”, hoy ny fianakavian’ilay niharan’ny habibiana. Niverina indray ny fitsarana taorian’io saingy tsy tanteraka hatrany. Ny fanintelony, ny 6 marsa teo, nivoaka ny didy. Voaheloka higadra asa an-terivozona mandra-pahafatiny ilay teratany vahiny, nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: