“Hatramin’izao, mbola misy mitaky an’ireo Nosy ireo. Tsy vitan’izany fa miteniteny foana, milaza hoe mitady marimaritra iraisana. Tsy misy marimaritra iraisana, fa an’ny Malagasy ireo”, hoy ny filoha lefitry ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ) teo aloha, ny Pr Ranjeva Raymond.
Tsy iadian-kevitra intsony eo anoloan’ny lalàna iraisam-pirenena ny maha malagasy an’ireo Nosy ireo. Hatramin’ ny taona 1979, ny fanapahan-kevitry ny Firenena mikambana (ONU) miangavy ny firenena roa tonta tsy hoe hiady hevitra na hifanakalo hevitra na hitady alaolana. Mazava tsara ny fiverenan’ireo Nosy ireo eo ambany fahefan’ny fiandrianampirenena malagasy no tanjona.
Ny hahatanteraka ny famerenena an’ireo Nosy ireo, jereo ny lalàna. Ny fitondram-panjakana no manatanteraka ny lalàna. Satria tsy nisalasala ny filohan’ny Repoblika nilaza fa an’ny Malagasy ireo Nosy ireo, ary maharary ny Malagasy raha tsy miverina aminy ireo. Tsy teknika izay fa politika.
Efa vita sy mitombina ny lalàna iraisam-pirenenab “Efa vita sy mitombina ny lalàna iraisam-pirenena ny amin’ireo Nosy ireo. Maneran-tany, mandika ny lalàna iraisam-pirenena raha misy milaza zavatra hafa”, hoy izy. Ny ONU izao no mifehy ny lalàna maneran-tany momba ny fizakana fiandrianam-pirenena amin’ny tany samihafa.
Tsy maintsy tratrarina ny fampiharan-dalàna. Anjaran’ ny mpitondra fanjakana ny mijery izay fomba hampiharana ny lalàna. Politika io. Raha tenenina hoe fanjakana tan-dalàna, miverina amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo. Satria lalàna iraisam-pirenena no mifehy azy.
Tsy mahagaga ny fihetsiky ny fanjakana frantsay. Inona no angatahin’ny tena aminy? Fifanandrinan-kery io, ary hery manana endrika samihafa. Eo, ohatra, ny hery amin’ny saina. Rehefa lemena ny fisainan’ny tena: inona no azo hatao? Tsy azo omen-tsiny ry zareo, raha milaza fa azy ireo Nosy ireo na misy aza ny lalàna. Fomba fiady izay.
R. Nd.