Saf FJKM Ambanitsena: fihariana iray ny fandrafetana

Mpandrafitra iray ao amin’ny Saf FJKM Ambanitsena no nanome andininy tamin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainanan (AJE)*. Tonga teny an-toerana ny AJE nanaraka ny zava-misy noho ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, orinasa Ambatovy, Star, ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa.
Mpandrafitra, Atoa Rave­loson Maminiaina, mampiasa hazo kininina, pin, grevillea. Mamboly zanakazo mitovy amin’ireo koa ny ao amin’ny Saf, araka ny filazany. Hanaovana seza, fandriana, sy arakaraka izay komandin’ny olona no harafitra. Miankina amin’izay ihany koa ny asa atao, ary ny vidiny arakaraka ny zavatra atao, ny halehibeny, ny endriny, sy karazan-kazo ampiasaina.
Ny seza, ohatra, 20 no atao amin’izao fotoana izao, maharitra eo amin’ny telo herinandro eo ny hanaovan-dRaveloson Maminiaina izany. Misy mitady izy izay vao manao izany, indraidray koa ao amin’ny Saf mila izany. Ny alahady ihany no tsy miasa ny ao an-toerana. Ny olana amin’izay fandrafetana izay, ny fahatapahan’ny herinaratra matetika, araka ny nambaran-dRaveloson Mami­ni­aina ihany. Lazaina amin’ny mpanjifa koa ny hazo misy .
Pasitera Charles, ao amin’ny hopitaly loterana Ambo­hi­bao, nampitandrina amin’ny tsy fanajana ny tontolo iainana. “Mitady ho ritra ny rano, ary mandrora mitsilany isika amin’ny fandripahana ala, Mbola tsy tara aloha izao ny fambolen-kazo, hazo iray tapaka tokony soloina dimy na enina. Tsy fialan-tsiny ny fahantrana fa toherina izay fahantrana izay amin’ny fahazotoana mamboly hazo’’, hoy Pasitera Charles.

Ndrina

Partager sur: