Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo.
Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana famotorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo maty, 24 kosa ireo velona, anisan’izany ity vehivavy bevohoka tamin’ireo mpandeha 47 isa tao anatin’ilay sambo haingam-pandeha.. Fantatra ihany koa fa saika hiondrana antsokosoko atsy amin’ny Nosy Mayotte avokoa ireo mpandeha. Nilaza ireo tomponandraikitry ny “Agence portuaire maritime et fluviale” (APMF) fa mety ho nanonja mafy ny ranomasina tamin’io fotoana io. Antony nitarika ny zava-nisy tao Ankazomborona iny, saingy mbola mitohy, hoy izy ireo, ny fanadihadiana ny raharaha. Niainga ny alin’ny sabotsy teo, tao Ambilobe ity sambo haingam-pandeha ity ka rendrika teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly. Nanavotra vonjimaika an’ireo tra-doza tamin’izany ireo mpanjono nahita izany. Nampandrenesina ny vaovao koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana sy ny tomponandraikitry ny APMF ao Ankify, ny alahady maraina teo. Vokany, nifarimbona ny rehetra nitady ireo tra-doza.
Antso avo
Tonga nitsapa alahelo ireo fianakavian’ny niharam-boina ny praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin’ireo minisitra maromaro ary ny Tale jeneralin’ny APMF. Natomboka omaly tolakandro ihany koa ny fandevenana ireo vata-mangatsiaka sasany noho izy efa simba. Etsy ankilany, manao antso avo amin’ny rehetra ny APMF mba hifanome tanana sy hiara-hientana hitady ireo olona avotra soa aman-tsara ka nitsoaka. Atao mba hahafahana miroso amin’ny fanadihadiana. “Tanjona amin’izany ihany koa ny hamongorana ny tambajotra mpanondrana olona antsokosoko amin’ny alalan’ny fitaterana an-dranomasina sy hiarovana ny ain’ny olona amin’ny mety hisian’ny lozan-dranomasina tahaka izao”, hoy hatrany ny fanazavany.
Henintsoa Hani