« Sesily » aloha izao no hira mampandihy, tian’ny tanora kanefa ankafizin’ny lehibe koa. Ity hira ity koa no nanosika ny Oladad hisedra irery an’Antsahamanitra amin’izay. Tsy fanombohana anefa, fa tohin’ny laza efa nipetraka io ho an’ny tarika.
Hitan-dry zalahy ny lalana ! Efa an-taonany maro no niezaka nametraka ny anarany teo amin’ny tsenan’ny mozika ny tarika Oladad. Tonga eo amin’izay sehatra izay ry Dadalo sy ny namany ankehitriny, raha tarafina amin’ny mpankafy ireo sanganasany. Mbola misy ny fanamby goavana izay hotanterahan-dry zalahy: hisedra irery an’Antsahamanitra!
Hotontosaina ny alahady 2 avrily izao io fiarahana io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Niakatra manokana teto Antananarivo ry Oladad ny sabotsy teo, ary nijery teny Antsahamanitra ny fomba hitondrana ny seho mba hampiavaka azy. “Efa fanirianay hatramin’izay ny hiaka-tsehatra irery ato Antsahamanitra. Niaraka tamina tarika hafa hatrany mantsy izahay nialohan’izao. Amin’io no hanehoanay izany filalaovana ny sehatra izany”, hoy ny nambaran’i Dadalo.
Ho an’ireo efa nahita ny fampisehoan’ny tarika Oladad, tena milalao an-tsehatra tokoa ry zalahy. Ankoatra ny hira, miavaka amin’ny soradihy koa ny tarika. Misy mpandihy rahateo mandravaka ireo hira mihetsika. Manaingo izany rehetra izany ny karazana fitafiana. “Ireny rehetra ireny no mitambatra no manome fampisehoana miavaka. Ry zalahy efa niomana ela, izahay ihany koa efa vonona hanatanteraka izany”, hoy ny fanamafisan’Andriamihaingo Luc Hervé, mpikarakara ao amin’ny LH Production.
“Sesily”, ilay hira nanainga
Raha hiverenana kely ny tantara, tanora mpanakanto avy ao Fianarantsoa, nitrandraka ny hip hop araka ny fanaovany azy ny tarika Oladad. Efa tany amin’ny taona 1996 no niara-dia ry Dadalo sy ny namany ary nikaroka izay hampiavaka azy tamin’ny mozika hatrany. Nampivadian’izy ireo tamin’ny mozika nentim-paharazana ny hip hop taty aoriana, ka nanome ireny “Ketamanga”, “Voady”, “Dia ho mamo koa ve?”, “Ramaitsokely”, sns. Anisan’ny nampiavaka an-dry zalahy ary niteraka resabe tany am-boalohany ny nikitihan’ny Oladad ny “Afindrafindrao”, araka ny fanaovany azy. Voarain’ny mpankafy anefa izany, ary lasa tohin’ny “afindrafindrao” mahazatra mihitsy, anaty lanonana isan-karazany.
Tsy azo lavina kosa fa ilay hira “Sesily” nivoaka tamin’ny taona lasa no nanainga ambony ny lazan’ny Oladad amin’izao fotoana izao. Hitan-dry zalahy ilay hira misy elanelam-panahy, ankafizin’ny tanora kanefa mampidola ny efa nahazo taona ihany koa… Mbola misy maro any, hoentin’izy ireo ao Antsahamanitra.
Zo ny Aina