Tsy namela ho irery ny mpiray tanindrazana ny ambasadaoro any Maorisy, ny Jly Camille Vital. Naneho ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana ary fifanohanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany ka nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza farany teo. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany, amin’ny alalan’ny antoko Hiaraka isika ka nandefa fanampiana ho an’ny any Atsimo Andrefana. Anisan’izany ny vary 10 gony sy omby iray hatao sakafon’ireo traboina. Tombanana hahavita hamahana olona maherin’ny 5 000 izany fanampiana izany. Nisolo tena ny Jly Camille Vital tamin’izany ny sampan’ny antoko Hiaraka isika any Toliara. Nandray izany kosa ny rantsan’ny BNGRC any Atsimo Andrefana, tompon’andraikitra mandrindra ny fizarana izany.
Synèse R.