Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Tana Design Week”, amin’izao fotoana izao. Hetsika tanterahina eny amin’ny Gara Soarano, nanomboka ny 11 hatramin’ny 18 marsa 2023. Mivelatra kokoa amin’ny any ivelany ity andiany ity raha oharina amin’ny teo aloha. Fiaraha-miasa eo amin’ny mpahay “ary raha” (design) malagasy sy vahiny avokoa ny tetikasa misy, izay miranty eny amin’ny Gara Soarano. Miisa enina ireo tetikasa ireo. Miranty ao avokoa ny dingana rehetra nandritra ny fananganana izany tetikasa izany.
Tsapa fa mahaliana ny olona, indrindra ny tanora ny lafiny “ary raha”, raha ny andron’ny sabotsy sy ny alatsinainy no anaovana jery todika. Nomena vahana manokana ny sekoly tamin’ity andiany ity. Anisan’ny maro an’isa amin’ny tetikasa miranty eny an-toerana ny momba ny sekoly, indrindra ireo manofana sy mampianatra ny “ary raha” eto Madagasikara. Ity sekoly ity izay voalohany eto Madagasikara.
Lin (Mpianatra asa)