Notanterahina tetsy amin’ ny Le Hintsy Ambohimanambola, omaly, ny loabary an-dasy mikasika ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny vaovao diso sy ny tsaho nandritra ny valanaretina Covid-19. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Rooted in Trust”, izay volavolain’ny Ilontsera sy ny In-ternews ny hetsika.
Omaly, novoriana ireo toko telo mahamasa-nahandro: mpanao gazety sy ny orinasa an-gazety miaraka amin’ ny fiarahamonim-pirenena ary ny olom-panjakana.
“Mitady fiaraha-mientana amin’ireo mpikatroka ireo hitady ny vahaolana sy ny hetsika tokony hatao miaraka ary ny vina sy ny tanjona iarahana, hahafahana manome vaovao voamarina, tena ilain’ny olom-pirenena rehetra mandritra ny fisian’ny valan’aretina, hoy ny tale mpanatanteraky ny ONG Ilontsera”, Ramiarinarivo Mamelasoa.
“Efa iaraha-miaina ny tsimokaretina coronavirus saingy ezahina ny tsy hahatafiditra azy any anaty vatana amin’ny alalan’ny fampiharana ny fepetra”, hoy ny dokotera Rakotoarivony Manitra, talem-paritry ny fahasalamana, Analamanga.
Vokatry ny tsaho sy ny vaovao tsy marina dia nanjary malaina ny olona amin’ny fanaovana vaksiny. Miantraika hatramin’ny fanaovam-baksiny ny zaza latsaky ny roa taona izany ka lasa malaina ny fianakaviana manao vaksiny ny zanany.
Manomboka sahirana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovam-baksiny satria tsy mazoto intsony ny olona. Iarovana amin’ny fahafatesana sy ny takaitra mety hahazo anefa no antony hanaovana vaksiny.
Tetsy andaniny, nilaza ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Monica fa efa ela no nisian’ny fanaparitahana vaovao tsy marina. Manimba ny asa fanaovan-gazety izany. Amin’ ny maha mpanao gazety matihanina anefa dia manana ny teknika fanaovana ny fanamarinam-baovao ireo tena mpanao gazety. Ilaina ny hisian’ ny drafitr’ady sisika izay ataon’ny Ilontsera toy izao ka heverina hisy vokany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana ny vaovao voamarina izany.
Tatiana A