Niatrika ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho manamboninahitra amin’ny andiany mivantana faha-46 sy andiany manokana faha-26 ireo afaka tamin’ny dingana voalohany, ny 6 ka hatramin’ ny 10 marsa lasa teo. Nidina any amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe ny talen’ny fitantanana ny mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny sampana miady amin’ny kolikoly nanara-maso ny fizotry ny fifaninanana. Nohamafisina ny fitsirihana ara-pahasalamana ka naraha-maso akaiky ireo mpifaninana. Natao izao mba hisorohana ny tsy fahombiazana indrindra ny lafiny fahasalamana satria ny Acmil mila mpianatra ho manamboninahitra matsilo ara-tsaina sy matanjaka ara-batana. Ho an’ity dingana faharoa ity, mpianatra ho manamboninahitra 100 no ho raisina ka ny 60 amin’ireo avy amin’ny andiany mivantana raha ny 40 kosa avy amin’ny andiany manokana ahitana injeniera, dokotera, mpahay lalàna… Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ity fifaninanana ity ny avy amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana ary ny asa sy ny Sampandraharaha miady amin’ny kolikoly mba hisian’ny mangarahara.
Jean Claude