Ambatondrazaka : Ben’ny Tanàna maty tao anaty trano fandraisam-bahiny

Maty tao anaty hotely fandriam-bahiny iray ao Am­ba­tondrazaka ny ben’ny Tanà­nan’ny kaominina Anororo, Andrianony, Vahiny Cyrille Damien François antsoina hoe Toutou Damien, disitrikan’ Amparafaravola. Omaly, to­kony ho tamin’ny 10 ora teo, niantso vonjy tamin’ireo mpi­asan’ny hotely ilay vehivavy niaraka taminy. Nilaza izy fa tsy nahatsiaro ity ben’ny Tanàna ity ka tonga nidodododo namonjy izany ireo mpiasan’ilay trano fandraisam-bahiny. Teo no ho eo ihany, nentina haingana teny amin’ny hopitaly ity tomponandraikitra ity saingy tsy tana intsony ny ainy. “Tsy hita kosa izay nalehan’ilay vehivavy niaraka taminy”, hoy, ny loharanom-baovao any an-toerana. Ao ireo milaza fa sakaizan’ity ben’ny tanàna ity izy. Ao koa ireo nanamafy fa mpiara-miasa aminy io vehivavy io. Misy aretina mitaiza ity tomponandraikitry ny kaominina ity saingy nihetsika tampoka izany omaly ka nitarika tamin’ny fahafatesany, raha ny angom-baovao hatrany. Fan­tatra ihany koa fa tonga nitsapa alahelo sy nampahery ny fianakaviany tao amin’ny ho­pitaly ny governoran’ny faritra Alaotra Mangoro sy ireo mpiara-miasa aminy. Nana­trika izany koa ny solontenan’ny ben’ny Tanàna, ireo ta­lem-paritra. Nanotrona izany koa ireo namana mpiara-dia sy mpiray antoko aminy.
Ny harivan’io, niainga tao amin’ny hopi­talin’Ambaton­drazaka nihazo an’Anororo ny vata-mangatsiaka an’Itompo­kolahy Toutou Damien taorian’ny “autopsie” nataon’ny mpitsabo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Henintsoa H.

Partager sur: