Antetezanafovoany – 67ha : tratra ireo jiolahy mpanendaka, mpangalatra anaty fiara

Nahitam-bokany ny ezaka nataon’ny polisy tamin’ny fanenjehana ireo jiolahy mpanendaka sy mpangalatra anaty fiara eny Antetezanafovoany, Cenam 67 ha. Telo lahy indray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny…

Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisari­an’ny boriborintany fa­hefatra (CSP4) eny Isotry, teny akaikin’ny Cenam Ante­tezanafovoany, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ireo jiolahy telo tompon’antoka amina ha­latra sy fanendahana. Voaro­hirohy ho nangalatra tao anatina fiara iray teo akaikin’ny Ce­nam ry zalahy ireto. Tsy vitan’izay fa raindahiny amin’ny famakian-trano sy fanendahana koa izy ireo. Nisy ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’iny faritra iny rehefa nahazo antso mialoha momba ny fisian’ireo jiolahy mpanao asa ratsy eny amin’ny manodidina ny Cenam. Ireo olona mandeha vao maraina sy mody hariva no tena lasibatra, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Tratra teo am-pangalarana ireo kojakojana fiara mipetraka amin’ny sisin’arabe ny iray amin’izy ireo. Tratra avy namaky tranon’olona koa ny iray tamin’io fotoana io ihany, raha nanendaka olona kosa ny iray. Na­namafy ny polisy fa maro ireo olona nitaraina amin’ny afitsok’ireto jiolahy ireto, in­drindra ireo tsy maintsy man­dalo eny an-toerana. Ma­no­loana izany, mitohy ny fanenjehana ataon’ny polisy amin’ireo jiolahy ary nilaza ny tsy hitsitsy amin’izay tratra izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: