Mamboly sady mivarotra rongony, tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tao Bevidy, fokontany Ambatolahimarina, kaominina Ambohimiarivo, Antsirabe II, omaly. Malaza ratsy amin’io asa ataony io, nidina ifotony nitsirika io lehilahy voatondro io ny mpitandro filaminana. Tonga tao amin’ny trano fonenany, nataon’ny zandary fanadihadiana izy. Nosavaina ny tokontany ka sarona tao anaty trano rava ny rongony efa mandrobona miisa 68 fototra. Nongotana avy hatrany ireo zava-mahadomelina ireo. Nentina atao fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandary ao an-toerana, alohan’ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana, ity lehilahy ity. Notsindrian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa mampirongatra ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny rongony.
Ankoatr’io, lehilahy iray hafa koa saron’ny polisy tao Masindrano, kaominina Analampotsy, Mananara Avaratra, ny 13 marsa teo. Nitondra kitapo, naneho fihetsika hafahafa tamin’ny mpitandro filaminana mananao fisavana an-dalambe ity lehilahy ity. Poa toy izay, natsipin’ity farany ny kitapo teny am-babeny, ary nirifatra nandositra izy. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra. Rongony efa maina sy voatsinjara amin’ny fatorana ireto tratra tao amin’ny kitapo an’ity lehilahy ity ireto.
Tsiferana R.