Nitohy tany Toliara indray ny fihaonamben’ny antoko Avi. Nitarika izany tany an-toerana ny filoha nasionaly teo aloha, Ratsirahonana Norbert Lala. Mazava ny nambarany momba ny fifidianana
filoham-pirenena.
Nambarany fa ao anaty fitondrana ny Avi amin’izao fotoana izao ary tsy mbola manana kandidà hotohanana. Mbola tsy nisy nanao fanambarana ho kandidà na efa hita soritra aza ny sasany. Nomeny toromarika ireo mpikatroka eo anivon’ny antoko, manoloana izany. “Tsy manana kandidà manokana isika amin’ny fifidianana filoham-pirenena ka manana safidy malalaka amin’ny hotohanana ny mpikambana. Fahafahana sy zon’ny tsirairay izany”, hoy izy. Namaly ny fanakianan’ny sasany ny mpikambana Avi Rabenirina Jean Jacques sady depiote ny tenany. Hentitra Ratsirahonana Norbert Lala fa miaraka amin’ ny kandidà zanak’i Toliara izy ka tsy misy olana izany. “Tsy zazakely izy io fa profesora. Manana ny safidiny manokana izy ary tsy anomezana tsiny azy izany. Iray faritra aminy izany mety ho kandidà izany”, hoy ihany izy. Midika izany fa nahazo ny tsodranon’ny Avi hiara-dia amin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny izany Rabenirina Jean Jacques.
Handeha irery amin’ny depiote sy ben’ny Tanàna
Nampiomana mialoha koa anefa ity antoko ity fa mila vola sy fitaovana ary ny hoenti-manana izany fifidianana filoham-pirenena izany. Aoka tsy handrebireby vahoaka rehefa tsy manana ireo voalaza ireo, araka ny nambarany. Noraisiny ho ohatra tamin’ izany ny nanohanany ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc, ny taona 2002 rehefa tsy nanana ny hoenti-manana ny tenany ka nanatsoahany ny filatsahan-kofidiany.
Na izany aza, nampiomana ireo mpikambana Avi ny tenany fa handeha irery kosa amin’ny fifidianana depiote sy ben’ny Tanàna ary mpanolotsaina.
Nanentana ny rehetra hisoratra anaty lisi-pifidianana koa Ratsirahonana Norbert Lala mba hahafahana mandray andraikitra.
Synèse R.