Mitohy hatrany ny ezaky ny tomponandraikitra ny amin’ny fampanarahan-dalàna sy fandavorarina ny fifindra-monina sy fivezivezena. Tsy ekeny ary toheriny, indrindra ny fikambanana iraisam-pirenena, ny tsy fanarahan-dalàna rehetra ao anatin’izany.
“Efa hatramin’ny taona 2020 no nisian’ny fikasana hifindra monina ho any amin’ny Nosy Mayotte, avy aty Madagasikara. Misy no tafiditra antsokosoko ary maro no tratran’ny tomponandraikitra avy eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny saron’ny avy ao Mayotte”, hoy ny fanambaran’ny Organisation internationale pour les migrations (OIM). Fifindra-monina ara-dalàna sy mirindra ary milamina tsara no tanjon’ny OIM. Manampy ny olona sahirana amin’ny tranga hamehana ny fikambanana. Manome alalana ny fahafahan’ny governemanta eo an-toerana hitantana ny zava-misy kosa anefa izy ireo rehefa misy izany hamehana izany. Na eo aza anefa izany rehetra izany. Melohin’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ny fifindra-monina sy fivezivezena tsy ara-dalàna.
Ny andron’ny talata 14 marsa no nanaovan’ny OIM fanambarana ho an’ny mpanao gazety momba ny raharaha faharendrehan’ny sambo haingam-pandeha tany Ankazomborona, ny alin’ny sabotsy 11 marsa 2023. Raha tsiahivina, nitondra olona 47 hiondrana any Mayotte ity sambo ity no izao tra-doza izao. Manamafy ny fiarahany miasa amin’ny fitondram-panjakana malagasy ny OIM hamahana izao olan’ ny fifindra-monina sy fivezivezena tsy ara-dalàna izao. “Antsoina ny mpiara-miombon’antoko ara-bola sy teknika rehetra mba hifanampy amin’ny fanjakana, ialana amin’ny tranga sahala amin’ izao”, hoy i Roger Charles Evina, lehiben’ny iraky ny OIM eto Madagasikara.
Lin (Mpianatra asa)