Nijoro vavolombelona Rtoa Mizabety Lucienne, mpamboly kafe, filohan’ny kaoperativa Kafe Arabika Ampefy Itasy (KKAAI), teo anoloan’ny mpianatry ny sekoly ESD. Nambarany fa miantraika any amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetr’andro, ka anisan’izany ny kafe. Mila rano ny kafe arabika, nefa tsy ampy ny orana. Lasa mavomavo ny raviny, sady misy holatra ny tahony, satria tratry ny aretina.
Vokany, lasa kely ny voan-kafe, ary mihena ny vokatra. Lasa 9 kilao sisa no azo amin’ny fototra kafe iray, raha 15 kilao izany, tany amin’ny 10 taona lasa.
Vahaolana naroson-dRtoa Mizabety ny tsy handoroana ny tanety. Entaniny koa ny tanora hamboly kafe satria ilain’ny Malagasy, ary tsy hirohotra an-tanàn-dehibe sy hiasa birao, fa hifantoka amin’ny fambolena.
Njaka A.