Fisorohana ny ahiahy amin’ny fifidianana : hotsirihin’ny OIF mialoha ny rindrambaikon’ny Ceni

Hanala ny ahiahin’ny maro ? Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, omaly, teny Ambohimana­rina fa handalo fitsirihana na « audit » ny rindrambaiko sy ny fikirakirana ara-kajimi­rindra entin’izy ireo mikira­kira ny fifidianana. Hisahana izany ny eo anivon’ny Fran­kofonia (OIF) ka hanomboka amin’ny herinandro ny fitsirihana. “Hampahafantarina ny rehetra ny ho vokatr’izany mialoha ny 23 marsa”, hoy izy.
Nanteriny fa manao ny ezaka rehetra ho amin’ny zotram-pifidianana azo an­toka sy mangarahara, fa in­drindra andraisan’ny rehetra anjara, ny eo anivon’ny Ceni.

Fihaonambe momba
ny fifidianana

Anisan’ny dingana lehibe amin’izany ny dinika hifanakalozan-kevitra amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidia­nana ny faha-24 marsa ho avy izao. Handray anjara amin’ izany ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ireo avy amin’ny haino vakijery ary ireo vondrona sy rafi-piarahamonina samihafa.
Tsiahivina fa nanao fanentanana tamin’ireo mpilalao baolina kitra miisa enina mandrafitra ny Barea Chan, teny Ambodivonkely, Ambohima­narina ny eo anivon’ny Ceni, tamin’izany. Nanamarika izany ny fisoratan’ny mpilalaon’ny Barea, i Dax anarana tamin’ ny lisitry ny mpifidy teny anivon’ny fokontany.

Miandry ny tetiandrom-pifidianana filohan’ny Repoblika

Etsy andaniny, nanambara ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly fa tsy mie­ritreritra ny tsy hamoaka ny datin’ny fifidianana kaomi­naly izy ireo. “Miandry ny fi­voahana amin’ny fomba ofisialy ny tetiandron’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izahay”, hoy izy. Manome tom­bondahin’ny fifidianana nasionaly na ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ny fanatanterahana fifidianana ny lalàna.
Hifarana amin’ity taona ity ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Nefa tsy mety ny mitsambiki-mikimpy hama­ritra datim-pifidianana amin’ izany, raha tsy mazava ny tetiandro amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Andra­sana ny fivoahan’izay amin’ ny fomba ofisialy. Ao anatin’ izany no hahitana izay mety hampidirana ny fifidianana kaominaly.

Synèse R sy R Nd.

Partager sur: