Anisan’ny nisongadina tamin’ny tafa nifanaovan’ny mpanao gazety tamin’i Henry Ratsimbazafy, omaly, ny nilazany fa maro ireo mpanakanto efa niara-nihira taminy. Misy amin’ireo no ho avy eny amin’ny CCEsca Antanimena, mandritra ilay seho hotanterahina ny 2 avrily izao. Tsy hisy ny hira vaovao hokaloina fa hahazo laka ireo hira efa fantatry ny olona hatramin’izay. «Ny mpijery rahateo ireo hira efa fantany no tiany ho heno», hoy i Henry Ratsimbazafy. Fantatra fa tanterahina mandritra ny herintaona ity hetsika fankalazana ny faha-90 taonan’i Henry Ratsimbazafy, tohanan’ny orinasa Airtel, ity.
Ho an’ireo nahita sy nahafantatra ary nanatrika matetika ny fampisehoana an-tsehatra nataon’ity mpanakanto manana ny lazany ity : «mampiavaka an’i Henry Ratsimbazafy ny fahaizany manaja mpijery. Na fihetsika, na fomba fanehoana hafatra, na fomba fitafy, sns, hain’i Henry Ratsimbazafy tsara» !
Nanangona : HaRy Razafindrakoto