Tontosa ny talata 14 marsa 2023, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy na IKM Antsahavola, ny atrikasa mahakasika ny dihy “Baohejy”. Tafiditra ao anatin’ ny hetsika “Songadina” fampahafantarana ny kolontsaina sy fomba amam-panao mampiavaka faritra sy faritany iray izy ity. Ny faritanin’i Mahajanga sy ny faritra Sofia no nampahafantarina teto. “Kolontsaina iray, tontolo iray” io no vinan’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy ao anatin’izao hetsika izao. Miara-miasa amin’ny vondrona Lemasà ny IKM amin’ny fanatontosana izao hetsika izao.
Tanjon’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy ny hampahafantatra ny Malagasy rehetra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao rehetra misy eto Madagasikara. Nandrintra ny nanombohan’ny hetsika, maro ny olona liana amin’ny hetsika. Ny taovolo sy ny dihy mampiavaka ny faritra sy ny faritany no tena nahaliana ny olona. Raha tsiahivina, anisan’ny nampahafantarina tao anatin’ny hetsika “Songadina” ny taovolo “Taly Sofia”. Miandahy miambavy ny niatrika io fizarana amin’ny fanaovana ity taovolo ity. Ankoatra izay, nisy ny atrikasa momba ny dihy Malesa sy Baohejy, izay nahasarika olona maro tokoa. “Ny tanora sy ny ankizy mpianatra no tena entanina hiatrika sy hitsidika ny hetsika mba ahafantaran’izy ireo bebe kokoa ny momba an’i Madagasikara fa tsy hijanona fotsiny amin’ny eto Antananarivo sy ny manodidina”, hoy ny mpikarakara. Hisy ny fandefasana ny horonantsary fanadihadiana momba an’i Baohejy hamaranana ny hetsika.
Lin (Mpianatra asa)