Kivy Ramalagasy !

Mampihoron-koditra ny zava-nisy tany Ambilobe, nahafa­tesana olona marobe noho ny sambo rendrika. Nanantena fiai­nana tsaratsara kokoa, kanefa nivadika ho nofy ratsy sy fahafatesana. Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava ny isan’ny olona niondrana satria ankoatra ny namoy ny ainy voaisa sy ny velona, mbola mahita razana hafa miisa 11 be izao indray ny mpanao fikarohana. Tsy hay intsony ny tena zava-nisy marina !
Tsy sanatrian-dresaka hamendrofendro ny havan’ny maty, na handatsalatsa ny sisa velona fa misy ny teny tsy maintsy atao mivantana mba handraisan’izay tomponandraiki-panjakana ny adidiny sy ny fepetra faran’izay henjana, momba ny tranga tahaka itony. Ny zava-nisy tahaka ireny dia azo sokajiana ho heloka bevava maromaro. Tsy afa-bela na hanadio tena aza ny manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana, indrindra izay misahana ny fanaraha-maso ny sisin-dranomasina malagasy. Raha ny hodidina misy any an-toerana, sarotra ny handehanana sambo antsokosoko ka tsy hisy mpahita na andro alina aza.
Ahina ny fisian’ny kolikoly sy ny firaisan-tendro eo amin’ny mpanao trafika sy ny mpanera olona ary ny manampahefana. Mazavabe rahateo ny sora-bola izay tsy latsaky ny 5 tapitrisa hatramin’ny 12 tapitrisa Ariary isan’olona no voalaza fa saran’ny fampitana azy ireo any Mayotte. Manamarina izay rahateo ny fanadihadiana lalina natao nandritra ny taona vitsivitsy tao Nosy Be Hell Ville amin’ny fanondranana olona any Mayotte sy Comores any.  Tsy misy sahy hiditra amin’ny asa fisolokiana goavana sy famonoana faobe efa voaomana tahaka izao raha tsy mahazo ny anjarany.
Mila fanadihadiana lalina sy tsy mitanila ny mikasika ity loza an-dranomasina ity. Tsy mahasakana ny fampiharana ny lalàna, ny faneken’ny mpiondrana lasibatra, izay mpifindra monina antsokosoko. Raha zohina akaiky ny fizotry ny loza, fampanantenana poakaty sy fisolokiana avo lenta no nisy. Ahina efa ho fantatry ny mpanera sy ny mpandraharaha maloto fa tsy ho tafavoaka, tsy maintsy ho rendrika ny sambo. Ny volabe no mahamaika, koa nasesisesika toa saosisy ny mpiondrana. Fantatr’izy ireo mialoha ny vesatra entin’ny lakana, saingy minia tsy niteny izy ireo. Karazany nalefa hamono tena fotsiny ny mpandeha, ahafahana migoka ny vola tsy misy arakaraka.
Manoloana ny zava-misy, entanina ny fihenjanan’ny fanjakana, indrindra ireo mbola resy lahatra fa tsy vitan’ny vola sy kolikoly ny zava-misy eto Madagasikara. Tokony hisy ny famotorana lalina, hamaizana ny tompon’antoka, fa tsy sanatria hanjaka ny tsimatimanota. Izay kolontsaina izay rahateo no mahatonga ny olon-tsotra, mitady hirika handaozana ny ta­nindrazana. Mahavita maka risika, hitsoahana an-drafahantrana sy ny tsy rariny manjaka eto amin’ny firenena.
Manoloana ny fiainana misy eto Madagasikara ankehitriny, iza tokoa no tsy alaim-panahy hitsoa-ponenana sy hiala eto raha mahita hirika ? Kivy tanteraka ny mponina !

r.r

Partager sur: