Mahery vaika ny jiolahy : olon-tsotra 32 maty voatifitra

Leo amin’ny afitsoky ny jiolahy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Toamasina. Tafakatra 32 ny namoy ny ainy tanatin’ny telo taona. Vokany, mandrahona ny hampikatso ny famatsiana vary ireto farany.

32 ny olon-tsotra sy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy, tao Toamasina tamin’ny taona 2021 hatramin’ny 4 marsa lasa teo, araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. 26 kosa ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tao anatin’izay vanim-potoana izay ihany. “Ambony kokoa ny tahan’ny olon-tsotra lasibatra, matin’ny jiolahy raha oharina amin’ireo olon-dratsy lavo”, araka ny fanambarana nampitaina tamin’ny mpanao gazety hatrany.
Manoloana izany, mampiaka-peo ny mponina sy ny mpandraharaha any an-toerana. Tonga hatrany amin’ny fampitandremana, amin’ny hampiatoana ny fanafarana ireo kojakoja ilain’ny mponina andavanandro, indrindra ny vary izany.
Nahasorena sy nahatezitra ny mpandraharaha ny fitifiran’ny jiolahy ilay teratany indianina, mpanafatra vary ao an-toerana, ny 4 marsa lasa teo. Tsiahivina, lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany ny vola 150 tapitrisa Ariary. Mampiasa bala mirefy 9 milimetatra ireo jiolahy amin’ny asa ratsiny, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Hatramin’izao, tsy mbola misy ny vaovao azo momba ny fanadihadiana. Mitaky ny hamoahan’ny mpitandro filaminana sy ny solontenam-panjakana ny marina mikasika io raharaha io ny mponina sy ny olon-kendry ary ny fikambanana maro samihafa ao Toamasina.

Mila antoka

Mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy sy mihorohoro ny mpandraharaha ao an-drenivohitra ekonomikan’i Ma­dagasikara. Matahotra ny tsy fandriampahalemana izy ireo, ka mihevitra fa ilaina ny fisian’ny antoka sy fiarovana azy ireo eo am-panatanterahana ny asany, izay mipaka mivantana amin’ny mponina. “Tsy hanafatra vary intsony izahay mpandraharaha raha tsy voa­­aro amin’ny asa ataonay eto Madagasikara”, hoy izy ireo, nandritra ny fanehoan-kevitra niarahana tamin’ny mpanao gazety.
Etsy ankilan’izay, nanapa-kevitra ny handray ny andraikiny ihany koa ny olon-tsotra amin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny tsy fandriampahalemana mihoapampana ao Toa­masina. Hisy, araka izany, ny fikaonandoha hataon’ny vondron’olon-kendry sy ny tangalamena. Tanjona ny fitondran’ny herivelona rehetra ny anjara birikiny amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. “Miantso ny olon-tsotra sy ny sefo fokontany izahay, samy hitondra ny an­jara biriky manandrify azy”, hoy ny mpikarakara. “Hoje­rena ny olana sy ny vahaolana mifanandrify amin’ny toe-java-misy”, hoy hatrany ny mpitarika ny fikaonandoha, ny dokotera Bezandry Désiré.

Sajo sy
Mino (mpianatra asa)

Partager sur: