Misaona ny tontolon’ny rugby eto amintsika. Nodimandry ny alatsinainy 13 marsa, teo amin’ny faha-21 taonany, Andriamasinjanahary Lanja Fiononantsoa na Lanjabe Lebigane, mpilalaon’ny Makis de Mada. Taitra ny rehetra raha naheno ity vaovao mampalahelo ity, indrindra fa ireo akaiky azy. Matanjaka sy mahery i Lanjabe izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Anisan’ny tena nankafy rugby ny tenany. Nanomboka sokajy “cadet” izy no niditra tao amin’ny klioban’ny US Ikopa. Nantsoina handrafitra ny ekipam-pirenena Makis U20 izy rehefa niakatra sokajy “junior”. Efa niaro ny voninahi-pirenena tany Kenya, ny taona 2021 lasa teo. Mbola tsy manambady i Lanjabe ary faralahy ao anatin’ny fianakaviany. Hiala anio amin’ny
1 ora atoandro, ao amin’ny tranony Andohatapenaka ny nofo mangatsiakan’i Lanjabe, hoentina hatao veloma farany ao amin’ny fiangonana katolika Andohatapenaka mialoha ny hitondrana izany eny amin’ ny fasan-drazany Ambohidava Ambohimidasy, Ambohidrapeto. Namela fahabangana tanteraka eo anivon’ny baolina lavalava eto Madagasikara ny fahalasanan’i Lanjabe satria mpilalao tsotra sady nanana ny fahaiza-manao ny tenany.
Nifankahazo am-po tamin’ ireo mpilalao namany, indrindra ireo mpitantana ny klioban’ny Us Ikopa izy. Efa nametraka ny anarany teo amin’ ny fifaninanana TOP 20 na tany amin’ny iraisam-pirenena i Lebigane saingy indrisy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Izahay eto amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’i Lanja manontolo.
Fitia (Mpianatra asa)