Nanao fanambarana ny sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite fa efa tomombana avokoa ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo taorian’ny fanavaozana samihafa natao. Mandeha tsara avokoa ny famatsiana herinaratra, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Jirama eny amin’ireo toeram-pampianarana Cathédrale, ny kianja mitafo… Mijery ifotony ny vahaolana maharitra tsy hahatapaka intsony ny famatsiana herinaratra eny amin’ny ESPA Vontovorona sy ny sekoly ambony Agronomie ny teknisianina, satria efa antitra ny fitaovana rehetra mitondra ny herinaratra amin’ireo toerana ireo. Taorian’ny fankatoavana ny fampiasam-bola ahafahana mamerina ny jiro tamin’ny filan-kevitry ny governementa, natomboka omaly ny asa fanarenana ho an’ny oniversiten’Antananarivo mankany amin’ny “École supérieur des sciences Agronomiques”. Mi-tohy ihany koa ny eny Vontovorona izay efa natomboka ny faran’ny herinandro teo. Andrim-by 12 no hatsangana ary eo amin’ny roa herinandro eo no hanatanterahan’ny Jirama ny asa. Ho an’i Vontovorona, efa voasolo ny “cable” 150 metatra ary miroso amin’ny fikarakarana ny “disjoncteur” indray ankehitriny.
Tsy eto an-toerana…
Nohamafisin’ny fanambarana fa tsy eto an-toerana ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo ary nankininy amin’ ny mpiara-miasa aminy ny momba ny fandrindrana ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Eo koa ny fanatanterahana na tsia ny filankevim-pifehezana ho an’ireo mpianatra efatra eny Vontovorona, voatonona ho naniratsira ny filohan’ny Repoblika sy nanao hetsika tsy nahazoana alalana.
Taorian’ireo filohan’ny fikambanana pedagojika eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, niara-nidinika tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana. Anjaran’ny mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eny amin’ny politekinika Vontovorona mivondrona ao amin’ ny FMPA indray no fihaonana. Fiaraha-midinika ho famahana ny olana misy eny amin’ ity toeram-pampianarana ambony ity no votoatim-pihaonana.
Vonjy A.