Nandray ny asany omaly, taorian’ny famindram-pitantanana ny talen’ny kabinetra vaovao eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy. Nambarany tamin’izany fa anisan’ny laharam-pahamehany ny hametraka fomba fiasa vaovao hamitana ny velirano rehetra. “Hiara-kiasa amin’ ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny governemanta izahay hanatanterahana ireo”, hoy izy. Hiompana amin’ny angovo, ny fahavitan-tena eo amin’ny sakafo, ny fotodrafitrasa, ny fanabeazana ary ny fahasalamana izany. Hotohizana ny asa teo aloha ary hafainganina kokoa izany, araka ny nambarany. “Horefesina koa ny ezaka vitan’ireo minisitera amin’izany”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nisahana izany asa izany teo aloha, Raharinirina Baomiavotse Vahinala ary efa voatendry ho mpanolotsain’ny filoha amin’izao fotoana izao. “Manolo-tsaina ny filoha sy mifampiresaka mivantana aminy izahay ary mitondra sosokevitra koa”, hoy izy.
Synèse R.