Mpaka sary miavaka sy manana ny maha izy azy i Tonni Haddad. Avy any Liban izy, ary ny taona 2014 no nanomboka nonina teto Madagasikara. Efa nahatratra 13 taona izao no nilomanosany teo amin’ny sehatry ny fakany sary. “Fialamboly sy tena ankafiziko ny fakana sary. Miezaka hatrany mikaroka mba hanatsarana ny fahaizana. Eo ihany koa ny fanarahana ny fiovana sy ny zava-misy ary ny fivoarana”, hoy i Tonni Haddad.
Mampiavaka ny sary ataon’ity mpakasary kalaza ity ny “Photo story”, sahala amin’ny nataony nandritra ny fampirantiona sary tao amin’ny Alliance Française Andavamamba. Ataony ihany koa ny sary eny an-dalambe sy ny sary maneho ny hakanton’ny zavaboahary.
“Haikanto ahafahana maneho hevitra malalaka ny fakana sary. Tanjoko ny ho tompon’andraikitra hampahafantatra amin’ny minia tsy mijery ny zava-misy”, hoy i Tonni Haddad. Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa sy fifampizarana traikefa ihany koa izy, araka ny nambarany.
Lin (Mpianatra asa)