Tsena Tsimialonjafy : hokarakaraina ny taratasin’ireo mpivarotra hampamarin-toerana azy

Omaly, nidina teny Ampa­sapito, nitsidika ny tsena tsimialonjafy indray ny ben’ny Tanàna Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nihaino mivantana ny he­tahetan’ireo mpivarotra ny tenany ary nankahery azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainana. Novalian’ny ben’ny Tanàna avy hatrany ny fanirian’ireo mpivarotra eny an-toerana. Nambarany fa ho laharam-pahamehana ny fikarakarana ny taratasin’izy ireo hampamarin-toerana azy amin’ny asa fivelomany.
Hamoraina ihany koa ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra ilaina mba hanaovana ny “enrollement” hoentina mandamina ireo mpivarotra ao amin’ny tsena Tsimialon­jafy.
Hotadiavina ny marima­ritra iraisana eo amin’ny kaominina sy ny mpivarotra ma­hakasika ny fandoavana ireo “arriéré” izay mbola tsy voaloan’izy ireo.
Manoloana ny tsy fisian’ ny tatatra fivoahan’ny rano maloto dia nilaza ny ben’ny Tanàna fa hampiana ireo mpivarotra amin’ny fanamboa­rana izany.
Nankasitraka ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ireo mpivarotra satria mahatsiaro ho manana raiamandreny mpiahy izy ireo.
Nilaza moa ny filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra eny an-toerana fa miisa 160 ireo “box” eny amin’ny tsena Tsimialonjafy Ampasampito. Ny fivarotana “brocanteur” sy ny hotely fisakafoana no tena anisan’ny mampiavaka ity tsena ity.

Tatiana A

Partager sur: