Vela-kevitra sekoly ESD: tsy ampy ny fandrindrana ny asa hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Nisy famelabelaran-kevitra mikasika ny tontolo iainana ho an’ny mpianatry ny Sekoly ambony momba ny zo sy ny siansa politika (ESD) eny Nanisana, omaly. Nifantoka tamin’ny hoe « fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara ».

Maromaro ireo ma­nam-pahaizana avy eto Madagasi­kara sy avy any ivelany nandray anjara tamin’ny famelabelarana mifantoka amin’io lohahevitra io. Nambaran-dRtoa Ran­drianarivelo Mamy Nirina, mpahay ny toetr’andro, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra (visio-conférence) avy any Paris, fa maro ny fandaharanasa sy ny tetikasa miompana amin’ny fiovan’ny toetr’andro (CC) eto Madagasikara. Saingy tsy misy ny fandrindrana ny asan’izy ireny, fa mifangaro sady miparitaka ny andraikitra… Hany ka, miatrika ny hamehana foana isika, fa tsy afaka tena manatanteraka ny vahaolana maharitra.
Isan’ny dinihina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Cop 27 miompana amin’ny fampihenana ny hafanan’ny tany. Nilaza ny Dr. An­dria­mampianina Zo Aina, talen’ny fampianarana ao amin’ny ESD, fa tsy mbola voafaritra mazava hatreto ny sora-bola ho vatsian’ny firenena mpandoto, ireo lazaina fa firenen-dehibe any amin’ny ilabola-tany avaratra ho an’ny firenena aty atsimo, ireo andalam-pandrosoana. Tsy fantatra koa ny tena ampiasana ny vola. « Inoana fa hahazo an’izany famatsiam-bola izany i Madagasikara, rehefa mazava ireo », hoy ihany izy.

Henoina ny vahoaka eny ifotony

Ho an-dRamamonjy fetra, mpahay teny (linguiste) sady mpanao tolotrasa (consultant) tao amin’ny Pnud teo aloha, mifandray ny kolontsaina malagasy sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy nanana fivoahan-tsetroka ny lakoziantsika, ka voan’ny areti-tratra ny malagasy, satria mampiasa kitay sy saribao, sady mandripaka ny ala. Mila beazina hanana fijery lavitra ny malagasy hiaro ny tontolo iainana.
Nandray anjara koa i Bernard Conchon, mpanao gazety frantsay, sady isan’ny nanorina ny Studio Sifaka an’ny firenena Mikambana. Aminy, tsy ampy ny lahatsoratra sy ny vaovao ary ny fandaharana mitatitra ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy misy ny fanamby amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Mada­gasikara, nefa isan’ny voalaza tany amin’ny Cop 27 tany Egypta farany teo, fa iharan’ny CC. Ho azy, mila henoina koa ny vahoaka malagasy eny ifotony, satria izy ireny no tena iharana sy mizaka ny fiovan’ny toetr’andro. Andrai­kitry ny mpanao gazety no manangona izany vaovao iza­ny sy manaparitaka azy avy eo.

Natao ho an’ny rehetra

Nilaza ny filoha mpanorina ny sekoly ESD, Randria­nasolo Franck, fa voakasik’ity lohahevitra ity daholo ny mpiantsehatra rehetra, ny mpianatra, ny mpitondra, ny manampahaizana, tantsaha, sns. Ho an’ny mpianatry ny ESD, ilaina any amin’ny taranja lalàna mikasika ny fiovan’ny toetr’andro ity fotoana ity, sady hanampy ny fahalalany koa amin’ny sehatry ny tontolo iainana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: