“Tsy azo heverina ny hoe tsy hisy vola hanatanterahana fifidianana ny fanjakana”, hoy ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tamin’ny fitondrana tany aloha, volan’ ny fanjakana no nanatanterahana fifidianana ary tsy naka vola tany ivelany.
Amin’ny ankapobeny, tsy afa-miala ny fitondram-panjakana raha manaraka ny lalàmpanorenana. Tokony hisy fifidianana roa na telo farafahakeliny amin’ity taona ity. Eo ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa ary ny fifidianana ben’ny Tanàna. Efa tapitra ny fe-potoam-piasan’ izy ireo raha tsy hoe handika lalàna, ka toy ny kilalao ny tsy fanajana lalàmpanorenana.
Miankina amin’ny finiavana potika ny fanatanterahana ny fifidianana sy ny enti-manana. Ny vahaolana tsara indrindra: ahoana no hahazoantsika mifampiresaka? Tsy misy zavatra tsy vitan’ny fifampiresahana. Tsotra ny tsy mampandroso an’i Madagasikara: tsy mbola nisy mpanao politika nahazo fahefana teto. Satria amin’ny maha Nosy an’ i Madagasikara: tsy maintsy ny fiombonambe iraisam-pirenena ihany no mametraka ny fitondrana eto, ary izy ihany no manala izay tsy ilainy. Sarotra be ny miala amin’izany.
R. Nd.