Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : fianakaviana 826 ao Tovona, Farafangana notohanana

Distrika anisan’ny ahitana zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika i Farafangana, araka ny fanadihadiana SMART taona 2022, natao teny ifotony. 8,6% ny tahan’izany eo amin’ny ankizy enim-bolana ka hatramin’ny 59 volana.

Mitohy ny hetsika sosialy ataon’ny so­lombavambahoaka voafidy ao amin’ny distrikan’i Farafangana, Raheriarijaona Regina Clarisse, miaraka amin’ny Ofisim-paritra mom­ba ny fanjarian-tsakafo (ORN) ary ny minisiteran’ ny Mponina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Fianakaviana marefo avy amin’ ny tokantrano 826 ahitana zaza latsaky ny 5 taona sy vehivavy bevohoka sy mampinono tsy ampy sakafo no nisitraka “rations de protéction” ny faran’ny herinandro teo. Nahazo tombontsoa tamin’ izany ireo fianakaviana ao amin’ny fokontany Bema­hala, Agnaviavy ary Saram­bendra, kaominina Tovona, distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana..
Nizarana vary 25 kg, tsaramaso 5 kg, menaka 1 litatra ny isan- tokantrano. Tafiditra ao anatin’ ny fanampiana ny mpiara-belona sy ny ady amin’ ny tsy fanjarian- tsakafo amin’ny faritra Atsimo Atsi­nanana, indrindra ao amin’ ny distrikan’ i Farafangana, araka ny fanazavan’ ny depiote. «Mahavonjy anay ny tohana satria lasan’ny ranobe sy ravan’ny tafiotra ny voly rehetra ka sahirana izahay amin’ny sakafo andavanandro”, hoy ny renim-pianakaviana, mponina ao amin’ny fokontany nahazo sakafo.
Hitohy ny hetsika fanohanana ny fianakaviana marefo satria sahirana ara-tsakafo ny ankamaroan’ny mponina sa­tria ravan’ny orana sy ny tafiotra ny voly sy ny fiha­riana.

Vonjy A.

Partager sur: