Andriamiseza Alain: “Tsy haka seza ny Hiffim”

“Tsy hanao fikaonandoha hakana seza ny Hiffim”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Mada­gasikara (Hiffim), Andriamise­za Alain, manoloana ny disadisa eo anivon’ny vovonana tarihiny. Tsy hanao fikaonandoha mba hofidian-dRanona na Ra­nona ry zareo. Tsy misy olona manampahaizana sy manan-tsaina ary manam-panahy ve eto ? Hita eny ihany ny fitaizana sy ny traikefa ary ny fahaiza-manao, rehefa mandeha ny raharaha.
Tsy maintsy misy hatrany ny tsy fitovian-kevitra amin’ny politika. Tsy fitovian-kevitra ve no itondrana ny raharaham-pirenena sy hanatsarana ny fiainam-bahoaka sa fialonana sy hambompo fotsiny? Hano­vana rafitra sy ny lalàna ny fi­kaonandoham-pirenena, fa tsy fakana seza. Handehanana any amin’ny fifidianana, mangarahara, eken’ny rehetra ary tsy azo lavina ny vokatra azo ami­ny fa tsy maintsy hampiharina izany.
Tsy mbola manapa-kevitra hanohana kandidà ny Hiffim
“Tsy mbola manapa-kevitra hanohana kandidà ny Hiffim amin’izao”, hoy izy. Manana safidy malalaka amin’izay ho tohanany ry zareo. Raha tsy misy hitondra ny foto-keviny amin’ny fanorenana ifotony, tsy hisy ny fanohanana kandidà fa manana olona harotsaka ny hetsika. Manao propangady ny Hiffim amin’izao, fa foto-kevitra no anaovana izany.
Tsy maintsy apetraka eto Madagasikara ny demokrasia tena izy sy ny fanjakana tan-dalàna. Efa mikororosy fahana mankany amin’ny ady an-trano isika. Misy tsy mahazo miteny; nefa ny sasany, mahazo… Ma­nakiana ny fanakantsakanana ny fiheketsehana ataon’ny mpanohitra na ankolafin-kery hafa ry zareo. “Ave­lao halalaka ny demokrasia, ampiharo ny fanjakana tan-dalàna”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: