CUR Vontovorona: nidoboka am-ponja ilay nisandoka ho lietnà

Nofitahiny hatramin’ny fianakaviany, tra-tehaka ihany ny lehilahy iray nisandoka ho Lietnà, tetsy Vontovorona, ny herinandro lasa teo.

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nisandoka ho manamboninahitra an-taonany maro, afakomaly. Nanomboka ny taona 2013, nitonon-tena ho Lietnà teny amin’ny fokontany Antanety II, Vontovorona izy. Ny 9 marsa teo, nanakana fiara an’ny kolonely iray ity mpisandoka milaza ho avy amin’ny andiany faha-38 ary miasa ao amin’ny RTS ity. Kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga io kolonely io ka mahafantatra tsara ny andiany faha-38. Noraisim-potsiny, araka izany, ilay mpisandoka. Natao ny fisavana ny trano fonenany ka nahitana fanamiana miaramila maro.  Nentina nihazo ny biraon’ny zandary natao fanadihadiana ity Lietnà sandoka ity. Efa maro ireo lasibatry ny fisolokiany teny an-toerana, tao anatin’ny 10 taona. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka niafara amin’ny fampidirana azy am-ponja vonjimaika.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: