Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi.
Efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Egypta sy i Madagasikara. Eo amin’ny sehatra maro izany toy ny fambolena, ny fahasalamana, ny fanorenana fotodrafitrasa manondraka tanimbary, ny sehatry ny fahasalamana… Anisan’ny goavana amin’izany amin’izao fotoana izao ny firosoan’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo, izay orinasa egyptianina Samcrete no manao azy.
Samy naneho ny fahavononany ny hanamafy orina hatrany ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta. Nilaza ny ambadaoro vaovao fa naneho ny fahavononany ihany ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamatsy vola egyptianina ny hampiroborobo sy hijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa hanatsarana izany fifandraisana izany. Mba hisitrahan’ny roa tonta tombontsoa.
Mahaliana azy ny hamantatra ny kolontsaina malagasy mba hahamatotra kokoa hatrany ny fiaraha-miasa sy hisian’ny fifanakalozana.
Fiaraha-miasa amin’ny Repoblika islamikan’i Iran
Nisy koa ny fandraisan’ny filoha Rajoelina ny taratasy fanendrena ny ambasadaoron’ny Repoblika islamikan’i Iran, i Hassan Ali Bakhshi, izay hisahana an’i Madagasikara, i Maurice sy i Seychelles ary i Comores. Efa 40 taona kosa nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Efa mpiandraiki-draharaha teo anivon’ny masoivohon’i Iran eto Madagasikara nandritra ny telo taona izy, ary mahafantatra ny zava-misy eto an-toerana. Noho izany, nanolotra tetikasa hiarahan’ny firenena roa tonta manatontosa izy. Anisan’ izany, ohatra, ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny jono, ny sehatry ny fahasalamana, ny fanorenana fotodrafitrasa…
R. Nd.