FMI : niakatra 11,5% ny vidim-piainana

Nilaza ny solontenan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Mokhtar Benlamine, ny alatsinainy teo, fa niakatra ho 11,5% ny fidangan’ny vidim-piainana eto Madaga­sikara ny janoary 2023, raha 10,8% ny desambra 2022. Nambarany fa, anton-javatra maro no mahatonga izany, toy ny fiantraikan’ny ady any Ukraine amin’ny lafiny toekarena maneran-tany. Niakatra ny vidin-javatra ankapobeny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny saran’ny fitateran’ny sambo, na koa ny fitahirizan’entana, ary indrindra ny vidin-tsolika maneran-tany sy ny eto amintsika. Eo koa ny fisondrotry ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Azo itarafana ireo, ny fisondrotry ny vidim-bary tsy mitsaha-mitombo, izay efa tafakatra 3.500 Ar ny kilao.
Nohazavain’ny solonte­nan’ny FMI eto amintsika, fa miantraika mafy aty Mada­gasikara ireo zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo. Satria afarana avy any ivelany ny ankamaroan’ny entana jifaina eto an-toerana. Isan’ny vahaolana narosony manoloana io fisondrotry ny vidim-piaiana io, ny hampiakarana ny tahan’ny zanabola amin’ny findramam-bola.

Njaka A.

Partager sur: