Foibe FJKM: iraisan’ny kristianina ny hazakazaka masina

Hanatanteraka ny hetsika “Hazakazaka masina rodobe” ny foibe FJKM, ny 15 avrily izao. Ny kristianina rehetra amin’ireo fitandremana ma­nerana ny Nosy no handray anjara amin’izany. Efa misokatra ao amin’ny fobe FJKM Analakely ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hanatanteraka ity hetsika ity.
Hiainga eo amin’ny FJKM Antanetibe Fitiavana ny fihazakazahana ka hihazo ny kianja TPM Ivato. Hisy ny fa­nompoam-pivavahana hotanterahina eny am-pahatongavana. Lalao am-pirahalahiana iraisan’ny kristianina rehetra no hanohizana ny fihaonana.
Fanehoana ny firaisankinan’ny samy kristianina sy ny fitandremana isaky ny synodam-paritany no tanjona. Ha­nentanana ny mpianakavin’ny finoana ihany koa ny amin’ny maha zava-dehibe ny fana­tanjahan-tena sy ny fampiasam-batana, antoky ny fahasalamana.
Kristianina vonona sy vanona no tarigetra amin’ny iraka rehetra hatao ka fanehoana ny fahavononana sahady izao hetsika hazakazaka masina rodobe izao.
Hisy koa ny fifaninanana ara-panatanjantena samihafa toy ny kitra, basikety, volley-bal, tsipy kanetibe. Hanom­boka ny 15 avrily hatramin’ny 24 jona no hanatanterahana izany.
Efa atao isam-piangonana ny fanentanana sy ny rindran-damina amin’ny fanatanterahana ny hetsika. Eo koa ny fanentanana ny tanora isan-tsampana amin’ny fandraisana anjara amin’ireo lalao ara-panatanjahantena maro ireo.

Tatiana A

Partager sur: