Hanatanteraka ny fampanantenana nataony ny Quatuor Squad. 14 marsa 2023, nahasarika olona maro be ny fampisehoana nataon’izy efatra mirahalahy niaraka tamin’i Tohy Ramaroson (contrebass), tao amin’ny Institut français de Madagascar, etsy Analakely. Taorian’io : « manome toky anareo izahay fa hanatanteraka seho any amin’ ny sehatra lehibebe kokoa », hoy ny Quatur Squad. Fantatra fa hotontosaina ny 29 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny CCEsca Antanimena ity seho fampanantenan’ny Quatuor Squad ity. Amin’ny ankapobeny, ny fampiarahana ny hakanton’ny feon-javamaneno « violon » no tena nahafantarana ireto tanora ireto.
Anisan’ny mampiavaka ny Quatuor Squad ny fahaiza-mifehy sy mamoaka ny hira taloha sy ny amin’izao vanim-potoana izao. Hira malagasy sy hira vahiny, samy tendren’izy ireo avokoa. Ankoatra ny fampisehoana mandeha irery ataon’ny tarika, miara-miasa amina mpanakanto hafa izy ireto. Efa nisy, ohatra, ny fiarahan-dry zareo tamin’ny fanarahina ny hiran’i Tovo J’Hay teny an-tsehatra.
Marihina fa tsy nijanona tao anaty trano ny fampisehoana notanterahin’ny Quatuor Squad sy Tohy Ramaroson, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny volana febroary teo, fa notohizana teo ivelany noho ny fangatahan’ny olona maro.
HaRy Razafindrakoto